Aller au contenu
A- A A+

Paris Harendrina 2012


FANDAMINANA / HARENDRINA   -   23 JONA 2012  -  LA SEINE

 

Manomboka amin'ny 8 ora hariva :

Fotoana eo ankavanan'ny Jardins du Trocadéro - Jereo sarintany - RV.

Miara …-misakafo, -misotrosotro, -maka sary, -mivazovazo, -manala azy…

Mizara harendrina ho an'ny ankizy

Manao dia-be mamonjy ny sambo ny rehetra, rehefa midify ny masoandro

NY  SAMBO  

Miainga amin'ny 10 ora eo amin'ny Pont de l'Alma - Manavatsava an'ny Paris - Miantsona eo anoloan'ny Tout Eiffel (rive droite) amin'ny 12 ora alina. Hisy vidim-pidirana.

Misy rihana, mahazaka olona 1000 ny sambo ka ny 400 ao ambony ary ny 600 ao ambany, samy mahatazatazana.

Tsy misy tafo io ka … hihofahofa tsara ny fanevam-pirenena malagasy ; hanazava ny alina ny harendrina ; hanakoako ny hirahirantsika (mazava atsinanana, ravorondreo, mandihiza rahitsikitsika, sns.). Aza adinoina ny amponga sy ny golita.

SARY  FAHATSIAROVANA :

Hisy mpaka sary matihanina amin'ireto tetezana ireto : Pont de Grenelle, Pont de l'Alma, Pont d'Iéna, Pont Royal.

FANAMARIHANA !

Tsy maintsy misy olondehibe manaraka ny ankizy

Tsy amidy ny harendrina

METRO

RER C : Pont de l'Alma - Metro 6 : Trocadéro ( amin'ny 2 ora maraina no farany)

Ho avy miandalana ny fanazavana fanampiny.

 



< Article précédent

Article suivant >

« Retour

blog comments powered by Disqus
Haut de la page