"Asandrato ny fihavanana Malagasy" izany no lohahevitra hitondrana ny katroka kabary izay hatao ny tontolon'ny andron'ny 23 Jona 2012 amin'ny tranom-bahiny “chez Haga” ao Ambohimanga-Rova ary entanin-dRabenandrasana Lalao.
Seho maromaro no hita sy re amin'io andro io :
Ny maraina
- ranty momba ny kabary
- fandrenesana ny mpikabary ngezalahy
- fifaninanana mikabary andraisan'ny rehetra anjara.
Ny hariva
Dia hisy ny seho an-kabary
· Tafam-pitia na avonavom-pitia (Lahy sy vavy)
· Dontany sy kapotandroka (Olona telo)
· Tsoa-tokana (Hainteny merina, sova betsileo, jijy betsileo, tafasiry sakalava, takahaotsy antandroy…sns)
· Fampisehoana kabary am-panambadiana (merina, antemoro-Vohipeno)
IIzany lanonana izany dia hatao ao anatin'ny fankalazana ny iray volan'ny teny Malagasy sy ny fankalazana ny fetim-pirenena ary hanasan'ny Ministeran'ny Kolon-tsaina sy ny vakoka ( direction teny sy soratra), ny Oscar, ny FIralahian'ny Mpikabary ary ny fokontany Ambohimanga-Rova sy Avarakady anao.
Tsy misy vidim-pidirana
Misy sakafo azo vidiana amin'ny vidiny mirary eo an-toerana (plat 3 000 ariary, maskita 1500 fmg, jus de fruit naturel…sns).
Renseignements : 0 34 16 704 63





